Nahazoana akony hatrany ny lalao manasa-dalana voalohany nihaonan’ny ekipam-pirenena Brezilianina sy Alemaina amin’ny fiadiana ny tompondaka eran-tany amin’ny baolina kitra, ny alin’ny talata teo, tany Toliara. Teratany vahiny roa ka Karana ny iray naka Brezila raha vazaha mena sofina naka Alemŕ no niloka 20 tapitrisa Ariary. Nazava ho azy fa lasan’ity farany ny volabe, satria naharesy ny mpampiatrano 7 no 1 ny ekipan-dRainiboto nilokany. Raha ny fanazavana dia tam-pirahalahiana tanteraka no nanaovana ny loka ary nisy ny .......
Tapaka lalan-dra tampoka
Fa tovolahy iray 19 taona mpianatra taona faharoa eny amin’ny ambaratonga ambony no tapaka lalan-dra tampoka teo am-pijerena ny lalao tamin’ny fahitalavitra, satria resy ny ekipan’i Seleçao notohanany sy nilokany dimy alina Ariary. Voalazan’ny fianakaviany fa taitra tampoka izy raha nahita ny baolina dimy nifanesy tafiditry ny Rainiboto nandritra ny fizaram-potoana voalohany. Kivy ary tsy nanan-kantenaina intsony. Io alina io ihany izy, raha ny fanazavan’ny havany no nentina namonjy mpitsabo ary efa mihatsara ny fahasalamany amin’izao.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.