Niafara tamin’ny fifamonoana sy ra nandriaka ny lalao manasa-dalana voalohany amin’ny fiadiana ny tompondaka eran-tany nihaonan’ny ekipam-pirenena Breziliana sy Alemaina afak’omaly alina tany Toliara, ka nandresen-dry Rainiboto 7 no ho 1 ny Breziliana mpampiantrano
Tsy nijanona ho fialamboly intsony ny fijeren’ny sasany ny lalao tamin’ny fahitalavitra fa nivadika ho ady sy fifamonoana mihitsy. Raikitra mantsy ny loka sy ny taim-bava. Telolahy monina ao Tsimenatse no niara-nijery baolina no sady niloka dimy Arivo ariary ny roa ary nanala azy nisotrosotro toaka, ka rafitra ny ady noho ny 5-0 tamin’ny fizaram-potoana voalohany. Voalaza fa kivy sady tsy nahatsindry fo, tsy nahatanty taim-bava ny iray niloka naka an’i Brezila diso fanantenana, ka niakatr’afo. Mbola norangitin’ny namany ihany izy ka tezitra ary namoaka ny antsy teny am-balahany ary nanindrona izany ilay niloka nananihany azy. Nitsofoka teo amin’ny ilan-tratrany havanana anelanelan’ny sandriny ny antsy, ary naratra ity farany. Tezitra noho izany ny naman’izy ireo fahatelo teo ka naka tavoahangy ary nikapoka an’ilay nanindrona antsy tamin’ny lohany, ka naratra.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.