Mpilatsaka an’elon’aina 3 maty, 5 naratra

Olana ara-toetr’andro sa sanatria sabôtazy avo lenta…


  • Alakamisy 28 Aogositra 2025

Nitrangana loza mampalahelo teny Arivonimamo nandritra ny fanatanterahana ny 

4ème saut de brevet », fanadinana hakana mari-pahaizana amin’ny filatsahana amin’ny elon’aina, niarahana’ny tafika Malagasy tamin’ny Tafika Frantsay. Vokatry ny tsio-drivotra mahery nitsoka mialoha ny fipetrahana tamin’ny tany (rafale de vent à l’atterrissage), dia niseho ny loza ka manamboninahitra telo no namoy ny ainy, ary miaramila dimy hafa no naratra mafy ka nentina haingana namonjy hopitaly miaramila Soavinandriana, araka ny tatitra ofisialy. Lavo nandritra izany ny Commandant ZAFIDAHY avy ao amin’ny Groupement des Forces Spécialisées d’Intervention (GFSI), andiany faha-34 ACMIL ; Lieutenant RAMIANDRISOA Ricassi avy ao amin’ny ESCAPARA (Escadron Parachutiste), eo anivon’ny CFS ny Zandarimariam-pirenena, andiany faha-41 ACMIL ; ary Lieutenant NJAKANDRABABANY Jeodard avy ao amin’ny Centre de Formation Spécialisée (CFS) ny Zandarimariam-pirenena, andiany faha-41 ACMIL izay vao 29 taona monja. Marihina fa ny iray amin’izy ireo dia Major de promotion, na “ombimanga”, izay manamarika ny tsara indrindra amin’ny andiany. Anisan’ireo tra-doza koa ny kaomandà iray miasa ao amin’ny GFSI, lietnà roa avy ao amin’ny CFS, lietnà iray avy amin’ny ESCAPARA, lietnà iray miasa eny amin’ny vondrotobim-paritra Antananarivo Renivohitra, ary kolonely iray. Ireo naratra dia mbola arahi-maso akaiky eny amin’ny hopitaly miaramila Soavinandriana.Frantsay no mpanadina na « examinateur » tao anatin’izy ity satria tsy mahazo manao parachute ny miaramila malagasy raha tsy eo ny Tafika Frantsay ? Antony ara-pitaovana, fahaiza-manao ary fiarovana no ambara fa mahatonga izany, raha ny feo avy ao anatin’ny tafika. « Exercice pratique » amin’ny filatsahana amin’ny elon’aina, ahitana « guidage aérien », « liaison radio », ary « reconnaissance aérienne », no matetika atao amin’ny filatsahana an’elon’aina, raha ny fanazavana teknika.

MISY MIAHIAHY SABOTAZY
Toe-javatra tampoka ve ny haratsian’ny toetr’andro sa tsy noheverina hitera-doza ? Sa sanatrian’ny vava tetika avo lenta ? Misy ihany ny ahiahy sy fanahiana mikasika ny mety ho fisiana sabôtazy manodidina ity raharaha ity. Ahiana ho nisy ny gafy niainga avy amin’ny « elon’aina » na « parachute », raha ny resaka mandeha. « Iray amin’ireo manamboninahitra zandray namoy ny ainy ny rahalahiko. Gaga sy malahelo ny tena nefa izy mba nandrandrain’ny fianankaviana. (…) araka ny antso nataon’ny lehiben-dreo dia izay e ! Tsy nisokatra ny elo dia rivotra hono mafy dia lasa « chute libre » izany ! Vao nitraka hono zokilahiko dia nandoa lio dia avy dia niala ny ainy », hoy ny resaka voalaza fa nataon’ny akaiky ny namoy ny ainy iray. « Nosaboten-dry leirony ilay elon’aina dia tsy nety nisokatra ary voalaza fa miaramila bebe loha tsy mankatoa izao..….izao ireo «victimes » ary efa nisy « action » hono saika saika ataon’ireo hanalana an’i Cédric… », hoy ny fifampiresahana niparitaka manodidina an’ity tranga ity. Saropady sy stratejika be ity raharaha ity, tsy afaka handiso na hanamarina an’io isika, fa dia izany aloha ny resaka mandeha izay tsy azo hamaivanina ihany koa anefa. Ny loharanom-baovao hafa ihany koa mantsy milaza hoe : « vent fort au sol » nitranga tampoka « après largage » dia niakarapoka tamin’ny tany izy 8 lahy, samy tsy nisy nahatsiaro tena. Izy telolahy maty, tapaka ny fen’io kaomanda io ». « Tampoka ilay fiovana ; Teny ambony tsy nisy olana. Lieutenant Jeje no nisaoty voalohany dia nanaraka ny ambiny. Efa nanakaiky ny tany vao nitsoka mafy tampoka. Tsy nisy azo natao intsony ! », hoy io loharanom-baovao io. Inoana fa tsy maintsy hisy ny fanadihadiana momba ity raharaha ity, izay iandrasana ny tatitra ofisialy. Mankahery ny fianankaviamben’ny tafika, ny fianankavian’ireo namoy ny ainy.

EFA NISY TRANGA MITOVITOVY TANY AMIN’NY 11 TAONA LASA
Ny martsa 2014, fiaramanidina kely marika Tetras no nianjera teo akaikin’ny Base Aérienne Tactique (BATAC), izay nahafaty manamboninahitra miaramila roa dia ny Lieutenants Ranjatomanana Paul Ephraïm sy Rabarimisa Andrianarisoa. Voatery nanao fipetrahana tampoka ilay fiaramanidina kely Tetras, saingy tsy nahita toerana mety ka nianjera tamin’ny tany tsy voaomana. Tsio-drivotra mahery sy toetr’andro tsy milamina no nitarika ny olana. Fanazaran-tena ara-miaramila amin’ny fampiasana fiaramanidina maivana no natao tamin’io andro io, saingy tra-doza noho ny resaka toetr’andro, ary io misy loza amin’izany io taty aoriana, saingy tsy ny fiaramanidina mivantana no tra-doza fa ireo mpilatsaka an’elon’aina.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Minisitra Fanirisoa Ernaivo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Nisy fizarana vola

  • Depiote Nicolas Randrianasolo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Mila mitandrina i Kolonely Michael !»

  • HORONAN-TSARY MAMOAFADY
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Tanora miisa 15 no nosamborina

  • KAOMININA ANTANANARIVO RENIVOHITRA
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Ankizy 759 isa notolorana kopia mari-pahaterana

  • Firaisamonim-pirenena
  • Alarobia 29 Aprily 2026

sy Fikambanan'ny tanora

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Hotokanana tsy ho ela ny

Hijery ny tohiny
FTT