Actualités

Mpilatsaka an-tsitrapo Niampy 17 mianadahy indray


  • Alakamisy 14 Septambra 2017

Niampy 17 mianadahy ireo mpilatsaka an-tsitrapo Malagasy rehefa nianatra nandritra ny enim-bolana. Samy mbola mpianatry ny oniversite avokoa izy ireo.

  Ny fikambanana “Youth for Christ Madagascar” eto Antananarivo no nanome fiofanana azy ireo, teo ambany fiahian’ny minisiteran’ny serasera sy ny fifandraisana amin’ny andrim-panjakana ary ny mpandrindra nasionalin’ny filatsahana an-tsitrapo. Betsaka ny asa efa notanterahin’izy ireo toy ny teny amin’ny fokontany Ambohidahy izay nanaovany asa momba ny fanadiovana sy ny fidiovana. Nisy koa ny fanentanana manokana momba ny fananganan-tsaina natombok’izy ireo tamin’ny volana mey 2017. Teny anivon’ny vahoaka dia mpitondra hafatry ny minisitera ireto mpianatra ireto ary mpampita ny hafatry ny vahoaka miakatra mankany amin’ny fokontany. Miisa 1.250 ireo olona nahazo fanentanana tamin’ny fanadiovana sy ny fidioavana nandritra izany raha 550 no nentanina tamin’ny fananganan-tsaina. Omaly no navoaka tamim-pomba ofisialy izy ireo notolorana ny mari-pankasitrahana tamin’ny fiofanana norantoviny, natrehin’ny tale misahana ny Fandrindrana Nasionaly ny Filatsahana An-tsitrapo, Ratsirarson Alijimy Joelle.

 

Pati


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • PRRM :
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Fitsarana mbola nolovaina tamin’ny Frantsay

  • AFERA BOEING
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

AN-DRAVATOMANGA

  • Fitantanan
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

-draharaham-panjakana

  • FAHATAPAHAN-JIRO RN 1
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

  • DADABE
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

RAKOTONDRASOA JEAN LÉON

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

Hijery ny tohiny
FTT