Nanao ny tatitry ny asa nanirahana azy ireo tao Vakinankaratra nandritra ny 2 taona ireo mpilatsaka an-tsitrapo Japoney niisa 4 mirahavavy niasa teto Madagasikara.
Sehatra maro no niasan’izy ireo toy ny fahasalamana sy ny fanabeazana, ny tanora, izay nifanosonany teny anivon’ny fiarahamonina. Fantatra fa mbola taraiky amin’ny fampandrosoana i Madagasikara amin’ny fahitan’ireto tanora ireto azy satria na samy ambanivohitra aza dia very lavitra i Madagasikara. Ny any aminy dia efa misy jiro sy rano isan-tokantrano no efa tsara ny lafiny fanadiovana sy fidiovana. Nitondran-dRamatoa kely Kamia Mai fanamarihana ny lafiny tsy fanjarian-tsakafo eto Madagasikara sy i Vakinankaratra manokana. Mbola maro ny zaza tratry ny tsy fanjarian-tsakafo sy tsy ampy lanja raha mitaha ny any amin’izy ireo, izay efa zara raha misy. Misy ny legioma rehetra sy ny sakafo anefa eto Madagasikara fa ny fikarakarana azy no tsy hain’ny eny ambanivohitra sady lany amidy avokoa ny vokatra. Raha ny fanazavana nomen-dRamatoa Voahary Ravelomanantsoa, tompon’andraikitra misahana ny fifandraisana amin’ireo mpilatsaka an-tsitrapo Japoney dia niisa 7 mianadahy no niasa tao Vakinankaratra ka ny 4 ireto nahavita ny fotoam-piasany ireto, mbola hisolo ihany izy ireo amin’ny taona ho avy. Raha ny fanazavany ihany dia efa nahatratra 157 mianadahy ireo mpilatsaka an-tsitrapo Japoney no niasa teto Madagasikara hatramin’ny taona 2000 no ho mankaty.
Caius R.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.