MPILATSAKA AN-TSITRAPO FRANTSAY

Mahatratra 500 isan-taona ireo tonga eto amintsika


  • Zoma 04 Oktobra 2024

Mahatratra 500 isa isan-taona ireo mpilatsaka an-tsitrapo Frantsay tonga eto amintsika

ka ny 200 amin’ireo no misehatra amin’ny asa sosialy toy ny fiarovana ny tontolo iainana. Raha araka ny fantatra dia taorian’ny nisian’ny valan’aretina COVID teto amintsika no tena nampitombo isa azy ireo izay nanampy sy nikarakara ny mponina. Hankalazaina anio Zoma 04 Oktobra ny andro iraisam-pirenena ho an’ny mpilatsaka an-tsitrapo Frantsay. Ankoatra ny any Frantsa izay hanaovana hetsika miavaka dia hanamarika izany ihany koa isika eto Madagasikara. Tanjona ny hampahafantarana ny maha-sarobidy ny asan’ireo mpilatsaka an-tsitrapo amin’ny mpiara-belona sy ny hanomezan-danja izany. Amin’ny ankapobeny mantsy dia saika mahafoy ny ainy sy ny fotoanany manontolo ho an’ny mpiara-belona izy ireny no sady manamaivana ny fahasahiranan’ny firenena iray izay hanaovany izany asa soa izany.
Pati
Legende : Ny asa fampianarana no tena sahanin’ireo mpilatsaka an-tsitrapo Frantsay eto amintsika !

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mpitsara misahana
  • Talata 06 Oktobra 2026

ny ady amin’ny kolikoly

  • Mihatsara ve ny fiainany ?
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy azo lavina fa misy

  • Fiarovana
  • Talata 06 Oktobra 2026

ny tontolo iainana

  • BANKY
  • Talata 06 Oktobra 2026

SIPEM SY NY SOLIDIS

  • Recrutement"
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

eo anivon'ny METFP

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

ANTANETIBE MAHAZAZA

Hijery ny tohiny
FTT