Actualités

MPIKALO Namoaka ny andiany Don Bosco


  • Alarobia 05 Aogositra 2015

Nitombo 581 indray ny mpikabary malagasy fa namoaka ny andiany faha-11 nitondra ny anarana Don Bosco, ny faran’ny herinandro teo tetsy Mahamasina, ny fikambanana mpikabary Katolika eto

 

Madagasikara arsidiosezin’Antananarivo na ny MPIKALO izay tarihan’ny filohany 3 mirahalahy René, Mamy ary Clément. Marihina fa taninketsa hatramin’ny 12 taona ny 55 amin’izy ireo, izany hoe 10 ka hatramin’ny 67 taona ireo mpiofana. 9 ka hatramin’ny 10 volana no nianaran’ity andiany ity tany amin’ireo Fiangonana 51 avy amin’ny Distrika 23 manana rantsan’ny Mpikalo. Tsy manavaka finoana ny fiofanana fa mamonjy an’ireo fiangonana voalaza ireo izay liana tamin’ny fanarahana ny fampianarana. Miainga amin’ny fandalinana ny Soratra Masina ny kabary atao nefa koa mikajy lalandava ny soatoavina malagasy madiodio. Nomarihan’ny tompon’andraikitra fa mbola misy ny fandalinana aorian’ny fivoahana. Teny filamatra novoizin’ny Mpikalo hatrizay ny hoe “Andrianiko ny teniko, hitoriako ny vaovao mahafaly”.

Ntsoavina Evariste

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • PRRM :
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Fitsarana mbola nolovaina tamin’ny Frantsay

  • AFERA BOEING
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

AN-DRAVATOMANGA

  • Fitantanan
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

-draharaham-panjakana

  • FAHATAPAHAN-JIRO RN 1
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

  • DADABE
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

RAKOTONDRASOA JEAN LÉON

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

Hijery ny tohiny
FTT