Mpijirika na mpanelanelana

Olan’ny tantsaha mpamokatra eto Madagasikara


  • Alarobia 13 Aogositra 2025

Olan’ny tantsaha mpamokatra eto Madagasikara amin’izao fotoana izao ny

fisian’ireo mpijirika na mpanelanelana eo amin’ny tsenan’izy ireo, hoy ny fanazavàn’i Harison Ranaivo, tomponandraikitry ny tetikasa Tambatra avy eo anivon’ny AVSF, izay fikambanana mpampiofana tantsaha. Navondronay anatin’ny koperativa antsoina hoe Faneva, noho izany, hoy izy, ireo tantsaha mpamokatra. Izay no fomba ahafantaran’ireo mpanjifa avy hatrany ny misy ireo mpamokatra sy ny vokatra ara-pahasalamàna vokarin’izy ireo. Ny anay moa miompana amin’ny vokatra «agro ekolojika» na tekinika maromaro sy fitambàrana fomba fiaina maromaro hahafahana mamokatra anaty fotoana maharitra sy miaro ny tany sy tontolo iainana. Ialàna ao anatin’izay ny fampiasàna akora simika mitarika tsy fahasalamàna ho an’ny olombelona. Hitantsika tato ho ato izao, ohatra, ireny fanapoizinana ara-tsakafo sy ny toy izany ireny. Misy koa ny fanapoizinana misoko miadana izay fiantraikan’ireny akora simika tafiditra amin’ny vatana ireny. Mila mitandrina amin’ny sakafo ny mpanjifa fa ny mpamboly koa tsara raha mamokatra vokatra maro karazana sy be mpitady eny an-tsena. Hafa mihitsy ny tsiro anatin’ny atao hoe vokatra «agro ekolojika». Mateza kokoa io vokatra io mitaha amin’ireo vokatra mahazatra. Ny anana nambolena tamin’ny tekinika «agro ekolojika», ohatra, na herinandro aza mety tsy misy fiovàna no sady mitazona tsiro natoraly fa ny mahazatra 2 na 3 andro dia efa hita hoe misy fiovàna be no sady ratsy tsiro, hoy hatrany ny fanazavàny.
Nangonin’i J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Minisitra Fanirisoa Ernaivo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Nisy fizarana vola

  • Depiote Nicolas Randrianasolo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Mila mitandrina i Kolonely Michael !»

  • HORONAN-TSARY MAMOAFADY
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Tanora miisa 15 no nosamborina

  • KAOMININA ANTANANARIVO RENIVOHITRA
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Ankizy 759 isa notolorana kopia mari-pahaterana

  • Firaisamonim-pirenena
  • Alarobia 29 Aprily 2026

sy Fikambanan'ny tanora

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Hotokanana tsy ho ela ny

Hijery ny tohiny
FTT