Elaela indray izay tsy nifampiseraserana izay ry Jean. Ao tsara ve ianareo izay a. Tany ambanivolo tany izahay no mandre fa nataonareo roaka alika avokoa, hono,
ny bandy akama tao an-tanàna tao. Tamintsika nifampiresaka farany iny anefa ry Jean dia hoe aoka ny lasa homba ny lasa, fa ndao hifandray tanana sy hifanohana hampandrosoana ny tanàna. Vao dila kely teto an-tanàna anefa izahay, dia toa zavatra hafa no nafitsokareo ry Jean a ! Raha iray na roa no voadaka dia mety ho azoko ninoana ihany hoe mety nisy bandy nidelira angamba dia nailika, fa efa ho telopolo be izao. F’angaha rehefa tsy mety hiakanjo miloko manga na fehitenda manga ry zareo dia nivadihanareo indray e ? F’angaha tsy hoe malalaka amin’izay ataony ny tsirairay rehefa izay no mampandroso e ? Sa resaky ny mpihatsaravelatsihy fotsiny ny anareo iny ry Jean a ?
Marco
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.