Actualités

Mpihary herinaratra amin’ny masoandro 38 Mbola eo am-pitadiavana izay hangana azy


  • Talata 25 Aprily 2023

Ao anatin’ny fitadiavana izay hanangana ny toby mandeha amin’ny herinan’ny masoandro miisa 38 ny Fanjakana amin’izao fotoana izao.

Nandritra ny filankevitry ny minisitra voalohan’izao governemanta amin’ny endriny vaovao izao no nilazan’ny Minisitra Solo Andriamanampisoa fa tokony hiasa amin’ny volana aogositra amin’ity taona ity ireo toby mpamokatra 36 mandeha amin’ny herin’ny masoandro, izay hamokatra 50Mégawatts eo, hanampiana ny famokaran’ny Jirama. Ny volana martsa 2023 teo no naneho ny fisian’ny antso tolo-bidy amin’ny tsenam-panjakana hoenti-manangana an’ireo ny Minisitry ny toekarena sy ny fitantanam-bola Rtoa Rindra Hasimbelo Rabarinirinarison. Zava-dehibe izany, ary efa hatry ny ela i Madagasikara no niroso sy nampiroborobo ny angovo azo havaozina satria tena ananantsika ny masoandro sy ny hazavana, eny fa na ny rivotra aza tokony hotrandrahana. Na izany aza heverina fa isan’ny mampisalasala ny mpandraharaha sy ny mpampiasa vola ity Fanjakana ankehitriny ity izay malaza ho mpitsipaka sy tsy mahaloa volan’olona, raha tarafina amin’ny raharaha tsy fandoavam-bolan’ny orinasa mpanao làlana. Hafa indray raha toa ka ny mpiara-miombon’antoka ara-bola sy amin’ny fanatanterahana ny tetikasa no mandoa sy mamoaka ny vola.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Kaominina
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Andranomiely Sud

  • Ampatakamaroreny – Mandritsara
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Olona 20 voasambotra,

  • Sommet Afrique–France
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Hiazo an'i Nairobi ny Filoham-

  • Tsiahy ny ady lehibe faharoa
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Manamafy toerany eto ny Frantsay sy Rosianina

  • SEHATRY NY ANGOVO
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Maro ireo resy lahatra fa vahaolana ny "Jiro Solaire"

  • Valanjavaboaharin'i Makay
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

"Mitahiry harena voajanahary

Hijery ny tohiny
FTT