Mitohy ny hetsika fanentanana ataon’ny « Association Lutte Contre la Consommation de l’Alcool et de la Drogue », fikambanana miady amin’ny fandraisana zava-pisotro mahamamo sy mahadomelina. Eny Atsimondrano no hanaovana ny hetsika manaraka antsoina hoe « Planina dimy andro » izay fanampiana maimaimpoana ireo tapa-kevitra hiala amin’ny sigara sy paraky
Fanentanana sy fitsaboana tsy amin’ny alalan’ny fanafody fa ny fampahafantarana ireo voka-dratsy samihafan’ny sigara sy ny paraky miaraka amin’ireo mpiray ombonantoka toy ireo mpitsabo avy amin’ny “Ligue vie et santé” no hatao amin’io ka ny alatsinainy 4 hatramin’ny 8 aogositra ny fitsaboana fitetezana kaominina fito eny Atsimondrano dia eny Andranonahoatra, Ambohidrapeto, Fiombonana, Itaosy, Ambavahaditokana, Ankadimanga ary Bemasoandro. Anio alakamisy manomboka amin’ny 2 ora sy sasany ny fihaonana santatra sy fivoriana fampahafantarana ny hetsika ao amin’ny biraon’ny kaominina Andranonahoatra. Eny Alakamisy Fenoarivo indray ny faritra manaraka hanaovana ny hetsika. Teny filamatry ny fikambanana ny hoe “Rongony, paraky, sigara ary toaka. Ialao sy fadio fa manimba vahoaka”.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.