MPIFINDRA MONINA AVY AMIN’NY FIRENEN-KAFA

Fianakaviana 500 monina eto Antananarivo, nomena fanampiana


  • Alarobia 26 Martsa 2025

Mahatratra 500 isa ireo fianakaviana manana olana tany amin’ny fireneny tonga

mipetraka eto Madagasikara amin’izao fotoana izao. Avy amin’ny firenena miisa 18 izy ireo toy ny atsy Afrika, Pakistan, Togo, Malie, Cote d’Ivoire… Ny 95%-n’izy ireo dia fantatra fa monina eto Antananarivo avokoa saingy tsy mbola miasa. Raha araka ny fanazavana azo teo anivon’ny Association Musulmane Ahmaddiya de Madagascar etsy Andavamamba anefa dia olona ara-dalana izy ireo saingy noho ny resaka finoana sy politika dia voaraoka niala tany amin’ny taniny. Nozarain’ny Fikambanana fanampiana izy ireo omaly Alahady 23 Martsa nahitana, vary, ronono, varim-bazaha, menaka, voamaina, siramamy….Tafiditra ao anatin’ny famaranana ny iray volana masina Ramadany ny hetsika raha avy amin’ny ONG Humanity First avy atsy Allemagne kosa ny fanampiana izay efa manampy ny fikambanana hatrany isan-taona. Tanjona ny hahafahana manampy ireo fianakaviana miisa 500 ireo noho izy mbola tsy manana anton’asa handraisan-karama isam-bolana toy ny olon-drehetra. Mpino Mozilimana ny ankamaroan’izy ireo saingy nahazo fanampiana daholo kosa na dia avy amin’ny finoana hafa aza, fiaraha-miasa tamin’ny CDA Andohatapenaka. Raha araka ny fijoroana vavolombelona nataona tera-tany Pakistanais iray izay nalana tany amin’ny taniny ary mipetraka eto Antananarivo dia noho ny resaka finoana no nananany olana tany amin’ny taniny. Nambarany fa miady hatrany ny olona ao Pakistan no sady manimba ny trano fivavahana, antony
Pati
Legende : Samy nahazo fanampiana tahaka izao avokoa izy ireo !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanirisoa Ernaivo
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Tsy misy valifaty politika !

  • Fitsarana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

mangarahara sy manakaiky vahoaka

  • KAOMININA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANTANANARIVO RENIVOHITRA

  • Trafika
  • Zoma 02 Oktobra 2026

sokatra radiata

  • Taom-pahavaratra 2026-2027
  • Zoma 02 Oktobra 2026

  • AMPITATAFIKA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ATSIMONDRANO 2 taonina isan'andro ny fako

Hijery ny tohiny
FTT