Actualités

Mpifankatia nangala-dia Latsaka tao amin’ny farihin’Andraikiba ny fiara nentina


  • Alakamisy 16 Febroary 2023

Maro ny zava-nitranga afak’omaly talata 14 febroary nanerana ny Nosy nandritra ny fankalazana ny fetin’ny mpifankatia.

Ho an’ny tany amin’ny distrikan’i Sambava ohatra dia fantatra fa vehivavy roa izay tompom-bady sy sakaiza no nifandona mafy fa samy te ho eo akaikin-dRamose avokoa tamin’io afak’omaly io. Raikitra ny fifandonana vokatr’izany ka nosarahina mihitsy. Toraka izany koa ny tany Andraikiba Antsirabe. Raha araka ny feo mandeha dia mpifankatia nangala-dia izy ireo ary nitondra fiara tsy mataho-dalana.Asa na tara fodiana izy ireo na maika hamonjy ny tany an-trano fa ny accélérateur no voahitsak’ilay lehilahy izay namily raha ny tsindry hisatra no tokony nitsahiny. Vokany, nirimorimo namonjy ny ranon’Andraikiba ilay fiara ka tao anaty rano izy roa vao nijanona.Na izany aza tsy nisy ny aina nafoy. Ny zandary avy eny amin'ny Poste avancé Antanamanjaka kosa no nanao ny asa famonjena ny ain'izy 2 kely. Efa tafakatra omaly moa ilay fiara nentin’izy ireo izay voatery nakana fitaovana mahery vaika mihitsy.
Nangonin’i Pati
Legende : Saika nitelina mpifankatia ny farihin’Andraikiba tamin’ny Saint Valentin farany teo
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

  • Actualités
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Salon international de l’Habitat faha-27

  • Fifehezana
  • Zoma 09 Oktobra 2026

ny mekanika fiara

Hijery ny tohiny
FTT