Zazalahy kely vao 10 monja, iharan’ny herisetra nataon’ny rainy taminy no nitsoaka ny tokantranony efa ho herinandro izay.
Raha ny filazany dia mamo lava io rainy io ka mamono azy sy ny reniny isan’andro. Tsy mianatra koa ity zaza ity noho ny fahasahiranan’izy ireo. Araka ny fantatra dia mahatadidy tsara ny trano fonenany ity zaza ity saingy izy mihitsy no misafidy ny tsy hiverina any intsony satria tsy zakany ny herisetra mahazo azy sy ny reniny. Raha ny fitantarany, novonoin-drainy tamin’ireny botan-kazo (bois rond) ireny izy tamin’ny farany teo ka voavely tamin’ny faritry ny lohany sy ny tongony. Navelan-dreniny hitsoaka kosa izy noho izany, ka izay no nahafahany nitondra ny entan-keliny nanaraka azy. Tsy misy kosa taratasy na mombamomba ity zaza ity manaraka azy. Nentina avy hatrany teny amin’ny polisy misahana ny zaza tsy ampy taona kosa ilay zazalahy omaly, ary fikambanana ara-tsosialy miaro ny vahoaka no miandraikitra izany. Raha ny fanapahan-kevitra farany kosa, dia hiezaka handravona ity raharaha ity ihany izy ireo, mialoha ny hampakarana ny raharaha eny anivon’ny Fampanoavana.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.