Mbola tsy nahazo ny zony hatreto ireo mpiasan’ny PMU eto amintsika na dia efa tamin’ny 27 febroary lasa teo aza no nikatona ity orinasa iray misehatra amin’ny hazakazan-tsoavaly ity.
Nanatanteraka fihaonana teny amin’ny foibeny teny Ankorahotra izy ireo omaly no sady niantso mpanao gazety ihany koa nanazava ny zava-misy iainany. Fantatra tamin’izany fa efa nisy ny dingana hataon’izy ireo mba hitakiany ny zony tamin’ny alalan’ny solontenan’ny mpiasa. Efa nifampiraharaha tamin’ny mpitantana ny orinasa ihany koa izy ireo ka ny Ministeran’ny asa sy ny asam-panjakana ary ny lalana sosialy no nanelanelana tamin’izany. Nisy ny fehin-kevitra nivoaka taorian’izany ka fantatra fa haloa amin’ireo mpiasa ny karamany 10 andro niampy ny tambin-karama maha-mpiasa tranainy azy mandritra ny efa-bolana izay hany zakan’ny ambim-bola eo am-pelatanan’ny orinasa. Toy ny rano nararaka an-damosin’ny gisa fotsiny ihany anefa izany. Heno anarana 119 tapitrisa Ar fotsiny mantsy io ambim-bola io fa tsy mbola nisy nankany amin’ireo mpiasa na dia Ar aza. Nambaran’ny mpitantana moa fa anisan’ny olona tsy nahafahana nizara ny vola ny fametraham-pialan’ny mpitantana tamin’ny 07 mey lasa teo a tsy maintsy miandry ny famindram-pitantanana eo amin’ny mpitantana hisolo toerana vonjy maika indray vao azo tanterahina izany. Tsiahivina moa fa Renim-pianakaviana ny 80 %-n’ireo mpiasan’ny PMU. Hatreto dia mbola tsy an’asa ny ankamaroan’izy ireo, tafiditra ao anatin’ny fihibohana rahateo isika koa manao antso avo amin’ny Fanjakana sy ny ministera mpiahy azy izy ireo mba hijery akaiky ny olana sedrainy .
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.