Actualités

Mpiasan’ny Jirama nogadraina dia noroahina


  • Talata 17 Novambra 2020

“ Aoka izay ny tsy fanarahan-dalàna eto amin’ny firenena” Ela ny ela fa nivoaka tamin’ny fahanginana ireo mpitarika roalahy

 

 

 teo anivon’ny sendikan’ny orinasa JIRAMA nogadraina dia noroahina tsy ara-drariny tamin’ny asany. Nitafa tamin’ny mpanao gazety izy ireo omaly maraina tetsy Ambohijatovo notarihin’Atoa Oliva Mamitiana Andrianalimanana, filohan’ny komitin’ny orinasa JIRAMA nanomboka tamin’ny taona 2014 ka mandraka ankehitriny sy Atoa Tovonirina Andriamihaja delegen’ny sendikan’ny JIRAMA nanomboka tamin’ny taona 2014 ihany koa ka hatramin’izao. Aoka izay hoy izy roalahy ireo ny tsy fanarahan-dalana misy eto amin’ny firenena. Aoka ihany koa izay hoy izy ny JIRAMA tsy mampihatra didim-pitsarana sy ny JIRAMA tsy mampihatra ny fanapahan-kevitry ny Ministeran’ny angovo izay mpiahy azy.Hatramin’izao mantsy hoy izy ireo dia mbola tsy manaiky ny handraisana azy mirahalahy hiverina hiasa eo anivon’ny orinasa JIRAMA ihany ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny, tarihin’ny tale jeneralin’ny JIRAMA ankehitriny na dia efa nisy aza dia didim-pitsarana nivoaka mifandraika amin’izany sy ny didy avy amin’ny Ministeran’ny angovo nivoaka tamin’ny 09 Oktobra lasa teo. Nomarihin’izy roalahy ireto moa fa hatrany am-boalohany mihitsy dia efa nisy ny fandikan-dalana nataon’ny orinasa JIRAMA taminy. Naiditra am-ponja avy hatrany mantsy izy ireo tamin’ny septambra 2015 rehefa avy nosamborina nandritra ny fitokonan’ny mpiasan’ny JIRAMA. Notapahina ihany koa ny asa fivelomany taorian’izany na dia olona voaaro aza izy ireo. Nampiakatra fitsarana ambony izy roalahy taorian’izany ka afaka soamantsara. Andrasana araka izany ny fahafahany miverina indray manohy ny asa sy ny hampitsaharana tanteraka ny tsy fanarahan-dalana miseho eto amin’ny firenena.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT