Actualités

Mpiasan’ny CUA namafa lalana Maty nodonin’ny moto


  • Alarobia 06 Septambra 2017

Nodimandry vokatry ny herisetra nihatra taminy ny mpiasan’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra, omaly,

tokony ho tamin’ny 9 ora maraina, teo am-panatanterahana ny asany, fanadiovana ny tanàna, teo akaikin’ny Masoivoho vahiny tetsy Ambatomena. Mpiasan’ny orinasa tsy miankina COPS, hoy ny teo anivon’ny CUA no nandona azy tamin’ny moto teny an-dalana. Nampalahelo, hoy ny avy amin’ny Fiadidiana ny tanàna fa toa tsy noraharahiana mihitsy ny nanjo ny niharam-boina. Ny hopitaly nitsaboana azy indray, efa ho adiny 6 taty aoriana vao nampandre an’ny CUA. 39 taona i Randrianasolo Alain Jean izao nodimandry izao ary namela kamboty 3 sy mananontena. Rehefa mpiasan’ny CUA na mpamafa lalana io na mpiasa inona dia mitovy avokoa. Tsy nahalavi-tany ny filoha Marc Ravalomanana sy ny Ben’ny tanàna Lalao Ravalomanana ary ny mpiara-miasa aminy fa tonga nidodododo nampionona ny fianakaviana teny amin’ny trano fonenan’Itompokolahy Randrianasolo Jean Alain mpiara-miasa amin’izy ireo. Tsy hipetra-potsiny intsony ny kaominina Antananarivo Renivohitra manoloana ny herisetra mihatra amin’ny mpiara-miasa aminy, tahaka ny fidarohana ihany koa ny mpiasa iray mpanara-maso ny Parking teny Ambohijatovo ny 20 jona lasa teo.

Nangonin’i Jean D.


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • PRRM :
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Fitsarana mbola nolovaina tamin’ny Frantsay

  • AFERA BOEING
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

AN-DRAVATOMANGA

  • Fitantanan
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

-draharaham-panjakana

  • FAHATAPAHAN-JIRO RN 1
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

  • DADABE
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

RAKOTONDRASOA JEAN LÉON

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

Hijery ny tohiny
FTT