Mpiasan’ny BNGRC tsy hita popoka

Hita ny fiarany, izy mbola karohana


  • Alakamisy 14 Septambra 2023

Mbola tsy hita popoka hatramin’ny omaly i Jeremia Razafiharimanana, ilay tovolahy mpiasan'ny BNGRC na ny

Biraom-pirenena misahana ny loza sy ny tandindon-doza, anaovan'ny fianakaviany ombay mitady, raha ny fampitam-baovao voaray. Ny fiara nentiny no hitan'ny mpiara-miasa aminy ihany, ny alatsinainy teo, teny amin'ny lalam-pirenena faha 4 na RN4, teo Mandikanamana Mahatsinjo, distrikan'i Maevatanàna. Mitodika, sahala amin'ny ho any Mahajanga, ilay fiara. Tsy nisy olona tao anatiny. Mijanona amin'ny sisin-dalana, mihidy, vaky ny kodiarana 2 aloha. Ny olona monina eny amin'ny manodidina nilaza fa efa hatramin'ny sabotsy alina io fiara io no tsikaritr'izy ireo. Ny “Brigade routière spéciale” na borigady misahana ny lalana, Ramala, no miambina azy mandra-piandry ny fianakavian'ilay tovolahy izay nilaza fa manana dika mitovy amin'ilay fanalahidy. Tsy nandrenesam-baovao kosa io tovolahy mpiasan'ny BNGRC io ka mbola mitohy ny fikarohana azy. Nirava niasa, ny 6 septambra, tamin'ny 4 ora tolakandro, teny Avaratr'Antanimora izy, no hitan'ny olona farany niaraka tamin'io fiarany Toyota Yaris io, hoy hatrany ny fampitam-baovao voaray.
J. Mirija

 

 


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

  • Actualités
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Salon international de l’Habitat faha-27

  • Fifehezana
  • Zoma 09 Oktobra 2026

ny mekanika fiara

Hijery ny tohiny
FTT