Mpiasan’ny Banky Iraisam-pirenena

Nomena toromarika ho mailo amin’ny korontana


  • Alakamisy 07 Septambra 2023

Nomena alàlana hirava aloha ny mpiasa ao amin'ny Banky Iraisam-pirenena eto amintsika omaly. Notoroin hevitra tsy hanakaiky ny HCC Ambohidahy,

ny kianja Mahamasina sy ny faritra manodidina ny birao nasionaly ho an’ny omaly tolakandro raha toa tsy tao anatin'ny birao fiasany. Antony ny toe-draharaha politika mafampana, ka heverina fa anisany ny fanaterana filatsahan-kofidiana teny amin’ny HCC ho an’ny Filoha ankehitriny Andry Rajoelina, izay nisy resaka nivoaka tany aloha fa mety ho endrika diabe. Isan’ny voalaza fa antony hafa ny fisian’ny fivoriana politika, ny fitohanan’ny fifamoivoizana ary ny fahitana fa tafika maro no efa miatrana eny an-toerana amin'izao fotoana izao. Namporisika ireo mpiasa hanalavitra ireo toerana voalaza ireo araka izany ny foibe, ka hitady lalana hafa. Ankoatra izany, nasaina nanomana laharana afaka hiantsoina maika ireo mpiasa, ka hiantso olona azo antoka raha mila fanampiana. Nentanina ihany hanaraka tsy tapaka ny fivoaran’ny toe-draharaha amin’ny alalan’ny fanarahana tsy tapaka ny vaovao ireo mpiasa. Midika izany fa mailo amin’ny mety hisiana korontana na sakoroka politika ny vahiny sy ny sehatra iraisam-pirenena, izay manana rantsana eto.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT