Actualités

Mpiasan’ny kaominina : Misy ny mangalatra tsotra izao


  • Zoma 22 Janoary 2010

Raikitra indray ny sakoroka teny Behoririka, omaly tokony ho tamin’ny mitataovovonana, teo amin’ireo mpivarotra amoron-dalana, an-daniny, sy ireo mpiasan’ny kaominina an-kilany.

 

Nanao be midina teny an-toerana nanala ireo mpivarotra tsy ara-dalàna mantsy ireto mpiasa ireto, araka ny toromarika azon’izy ireo, saingy tsy nanaiky mora foana kosa ireo mpivarotra. Raha ny fanazavan’i Soa, mpivarotra, dia efa nisy ny fifampiresahan’izy ireo tamin’ny mpiasan’ny kaominina ny maraina fa haka sisiny izy ireo, fa tsy hampiasa ny lalana natokana ho an’ny mpandeha. “Tsy nanaja izany anefa ny kaominina fa mbola nandefa ireo be sandry ihany  izay  nandraoka avy hatrany ny entanay ”, hoy ihany izy. Raha ny fanazavan’izy ireo ihany dia tsy nanatanteraka ny asany araka ny tokony ho izy ireto mpiasan’ny kaominina ireto fa misy ny sasany no mangalatra. “Ny tena nahasosotra ny mpivarotra dia ny fisintonan’ny iray amin’izy ireo ny poketra teny an-tanan’ny Ramatoabe iray namanay sy ny fahitana koa fa tsy nampidirin’izy ireo anatin’ny kamiao akory ny entanay nalainy fa nafeniny”, hoy i Soa. Tezitra noho izany ireo mpivarotra ka nitora-bato ireo mpiasan’ny kaominina. Vaky nandositra moa ireto farany ary niandry teny amin’ny sampanan-dalana Behoririka ambany. 
Andry  

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • FAMPANDROSOANA
  • Zoma 17 Aprily 2026

Mila tetibola ampy iainany sy iasany ny faritra

  • Mitaraina amin’ny
  • Zoma 17 Aprily 2026

mpitondra ireo mponina ao Androy

  • GĂ©rard Ramamimampionona
  • Zoma 17 Aprily 2026

«Tsy vahaolana mihitsy ny

  • Zaza Ramandimbiarison
  • Zoma 17 Aprily 2026

«Tsy krizy tsotra ity fa dona

  • ASA MIFANDRAIKA
  • Zoma 17 Aprily 2026

AMIN’NY NOMERIKA Tanora miisa 1000 no

Hijery ny tohiny
FTT