Miomana amin’ny fitokonana indray ny mpiasan’ny kaominina Antsirabe amin’izao fotoana. Fantatra io nandritra ny resaka nifanaovana tamin’ny mpiasa sasantsasany. Raha ny voalaza dia manodidina ny fitakiana karama hatrany no olana satria hatramin’izao dia mbola mahatratra telo volana no tsy azo. Raha ny nambaran’ireo mpiasa dia toa tsy
raharahain’ingahy Pds firy ny karama ka mitohy ny tsy fandraisan’izy ireo izany. Efa nisy moa ny fananganana ilay vaomiera manokana hisahana ny fandrindrana ny fifandraisana amin’ireo mpitantana ka hita taratra fa tsy nahomby izany matoa mbola miketrika ny hitokona indray ny mpiasa. Raha ny fantatra, amin’ity herinandro ity no ho raikitra indray io fitokonana hataon’ny mpiasa io. Asa indray izay hitranga ao Antsirabe ao. Amin’izao fotoana izao aza miasa ny mpiasa kanefa dia maloto sy tsy araka akory ny fanadiovana ny tanàna fa miparitaka eran’ny tanàna ny fako. Tsy misy mirehitra ny ankamaroan’ny jiro eran’Antsirabe. Dia ho hita eo indray ny tohiny.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.