Nisy omaly ny fitokonana fanairana nataon’ireo mpiasa eo anivon’ny orinasa JIRAMA tetsy Soanierana. Nambaran’izy ireo tamin’izany fa hiharan’ny tsindry hazo lena ny mpiasa eo am-panatanterahana ny andraikiny
Betsaka, hoy izy ireo, ny olona tsy mahafantatra fa mizaka ny mafy ny mpiasa. Matetika dia ailika any amin’ izy ireo ny olana rehefa misy ny tsy fetezana eny amin’ny tsirairay eny. Nohamafisin’ny solontenan’ny mpiasa fa tsy izy ireo no tompon’andraikitra amin’ny zava-misy mihatra amin’ny mpanjifa amin’izao fotoana. Maro mantsy, hoy hatrany ity mpiasa ity, no mihevitra fa izy ireo hatrany no diso. Nohamafisiny anefa fa misy ny mpitantana isan’ambaratongany ao ambony ao. Mangataka izy ireo noho izany ny mba hijerena manokana ny momba azy ireo satria dia mafy ny mahazo rehefa tsy mahafa-po ny mpanjifa ny kalitao atolotra.Antony nahatonga izao fihetsehana izao moa ny fitorian’ny fanjakana mpiasa 7 avy ao amin’ny jirama noho ilay “court circuit” niranga teny amin’ny trano fonenan’ny filoha Hery Rajaonarimampianina eny Tsimazaza ny faran’ny herinandro teo.Nahoana no ny paisa madinika foana no iharan’ny rihatra hoy ny fikambanan’ny mpiasan’ny JIRAMA ? Nambaran’ireo mpiasan’ny JIRAMA nitokona teny Soanierana omaly fa ny antony nahatonga ilay « court circuit » dia ny tsy fahampian'ny herin'aratra tokony ampiasaina ao amin'ilay trano kanefa dia mbola vesarana ireo kojakoja maro fampiasa ao an-tokantrano ihany .Maro loatra izany ny fitaovana ampiasan’ny ao an-tokatranon’ny filohampirenena kanefa tsy arak’izay ny tanjaky ny herin’aratra mamatsy ilay trano.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.