Actualités

Mpiasan’ny JIRAMA Nidina an-dalambe nihazo ny tobin’ny zandary


  • Alarobia 27 Aogositra 2014

Mbola nitohy omaly ny fitokonana fanairana nataon’ireo mpiasa eo anivon’ny orinasa JIRAMA tetsy Soanierana. Rehefa avy nanao ny kabary sy ny teny fanairana maro samihafa ireo mpiasa dia nihazo ny toerana nitazonana ireo namany

Araka izany dia nisy ny filaharana natao nihazo ny tobin’ny zandary tetsy Fiadanana. Notsiahivin’ireo  mpiasa tamin’izany fa tsy ekeny ny tsindry hazo lena  eo am-panatanterahana ny andraikiny. Betsaka, hoy izy ireo, ny olona tsy mahafantatra fa mizaka ny mafy ny mpiasa. Matetika dia ailika any amin’ izy ireo ny olana  rehefa misy ny tsy fetezana eny amin’ny tsirairay eny. Nohamafisin’ny solontenan’ny mpiasa Atoa Razafindrakoto Tiana fa  tsy  izy ireo no tompon’andraikitra amin’ny  zava-misy mihatra amin’ny mpanjifa amin’izao fotoana noho izany dia mitaky tsy misy hatakandro ny hanajanonana ny fanadihadiana izy ireo.  Maro mantsy, hoy hatrany ity mpiasa ity, no mihevitra  fa izy ireo hatrany no diso.  Mangataka izy ireo ny mba hijerena manokana ireo mpiasa notazonina etsy Fiadanana. Fantatra mantsy fa mbola niampy ireo mpiasa nampiatsoana teny an-toerana. Nilaza anefa ny avy eo anivon’ny mpanao fanadihadiana fa ny adidin’izy ireo no tanterahiny na dia misy ary izao fitakiana atao izao. Nomarihin’ny lehiben’ny CIRGN eto amin’ny Faritra Analamanga, ny kolonely Rakotomahanina Florens fa tsy maintsy hatao ny famotorana mandra-pahita izay tena marina mikasika ilay “cours circuit” nitranga tao amin’ny tranon’ny filoham-pirenena teny Tsimbazaza ny herinandro lasa teo. Nambaran’ity tompon’andraikitra ity ihany koa fa misy mpiasan’ny Cimelta miaraka hatao  famotorana amin’izy ireo fa tsy mpiasan’ny JIRAMA irery ihany akory no voatazona eny Fiadanana. Mbola hitohy moa ny tolona ho an’ny mpiasa izay notsindrian’izy ireo fa ady amin’ny tsindry hazo lena mahazo azy ireo. Manana ny fahaiza-manaony ireo mpiasan’ny JIRAMA azo atao hoe efa tena ampy traikefa. Nanome toky ny mpiasan’ny JIRAMA fa tsy hisy fiantraikany any amin’ny mpanjifa izao hetsika ataon’izy ireo izao.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT