Hiroso amin’ny fitokonana faobe ny mpiasan’ny Jirama manerana ny nosy ny alatsinainy 10 aogositra ho avy izao.
Izay no fanapahan-kevitry ny fivondronan’ny sendikan’ny mpiasa omaly rehefa nandamoka ny fifampidinihana tamin’ny minisitry ny angovo. Tsy nisy afa-tsy teboka 8 tamin’ny 25 nifampidinihana ihany mantsy no nahitana marimaritra iraisana. Mbola mihenjan-droa ny tady momba ny fanomezana orinasa vahiny ny fitantanana ny jirama sy ny fahafahan’ny Jirama mampiasa vola hikojakojana ny fitaovana sy hanamboarana fotodrafitrasa. Neken’ny minisitra kosa ny hanaovana fanadihadiana manokana momba ny fifanaraham-piaraha-miasa rehetra natao tao amin’ny Jirama hatramin’izay.
Ny mahatonga ny delestazy
Momba ny delestazy maharitra ora maro eto Antananarivo Renivohitra kosa dia nilaza ireo mpiasa fa tsy avy amin’ny fitokonana no mahatonga an’io fa noho ny fanapahan’ireo orinasa mpamokatra herinaratra ny famatsian’izy ireo ny Jirama satria tsy mahaloa vola ny fanjakana. Orinasa vahiny tsy miankina tokoa mantsy no miara-miasa amin’ny Jirama amin’ny famokarana herinaratra tsy eto Antananarivo ihany fa any amin’ny faritra maro manerana ny nosy, aloa volabe ny asan’izy ireo ka rehefa tsy mandoa vola ny fanjakana dia mampiato ny famokarana herinaratra ry zareo dia mitranga ny delestazy.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.