Hanatanteraka fitokonambe ireo mpiasan'ny JIRAMA
manerana ny nosy manomboka anio talata 11 novambra raha tsy miala amin'ny toerany ny tale jeneralin'ny orinasa Jirama Atoa Ron Weiss sy ny forongony. Raha araka ny fanazavan-dRakotomanarivo, Filohan'ny Sendikan'ny mpiasan'ny Jirama mantsy dia omaly no fe-potoana farany nomen'ny Filoham-panjakana Rakotonirina Mickaël azy ireo taorian'ny fotoana nihaonan'ny roa tonta ny amin'ny hanovana ny rafitra sy hanalana izay olona tsy milamina eo anivon'ny orinasa Jirama. Mbola tsy voavaha ihany anefa ny olanay hoy izy raha efa miditra amin'ny fanovana avokoa ny isaky ny Ministera ka tsy azo ekena. Raha raikitra io fitokonana io hoy izy ireo dia misy ny fanaterana faktiora aloha, ny fandoavana jiro raha toraka izany koa ny fanaraha-maso sy ny fanapahana jiro. Fantatra moa fa nihaona ny roa tonta omaly hariva ka miankina amin'izay no mety hisian'ny fitokonana na tsia manomboka anio Talata.
Pati
Légende : Nandritra ny fihaonambe notanterahin'izy ireo omaly
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.