Manome hatramin'ny Alakamisy ny fitondram-panjakana ny mpiasan'ny JIRAMA mikasika ny tokony hampitsaharana ny fampihorohoroana hatao amin'izy ireo, indrindra fa ireo am-perinasa. Hatreto mantsy dia miaina ao anatin'ny fitaintanana hatrany ny mpiasa, indrindra fa ireo madinika na dia tsy miankina aminy aza ny zava-mitranga
Nampahafantatra ny mpanao gazety io fanapahan-keviny io izy ireo omaly hariva, taorian'ny nihaonany tamin'ny minisitry ny angovo sy ny solontena avy ao amin'ny fiadidian'ny repoblika. Nitsahatra nanomboka omaly, araka izany, ny fitokonana. Na izany aza anefa dia nanambara izy ireo fa mbola hitohy hatrany ny tolona raha tsy misy valin-teny mahafa-po. Tsara moa ny manamarika fa efa navotsotra ireo mpiasan'ny JIRAMA miisa fito naman'izy ireo nalaina am-bavany vokatry ny "cours circuit" nitranga tao amin'ny tranon'ny filoham-pirenena herinandro mahery lasa izay. Ny tranga tahaka ity farany mihitsy moa no sorohin'izy ireo mba tsy hiverina intsony.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.