Tsy noraharahain’ireo mpiasan’ny sampandraharahan’ny fananantany mitokona ao Toliara ny naoty navoakan’ny fanjakana milaza fa tsy maintsy miverina miasa ireo mpiasa mitokona. Vao mainka nampitroatra ny hambom-po sy nampitombo ny risipon’izy ireo izany. Nanamafy ny fitokonany izy ireo ary tsy hijanona ny hetsika raha tsy mivaly ny fitakiana. « Tsy mihemotra manoloana ny tsindry sy fandrahonana ary ny didy jadona sy fanaparam-pahefana samihafa ataon’ny mpitondra izahay. Mihahenjana ny tolona », hoy ireo mpiasa.
Mijaly ny vahoaka
Nanamafy tamin’ny tafa ho an’ny mpanao gazety ireto mpiasa mitokona, omaly, fa tolona sendikaly voafaritry ny lalàmpanorenana ny grevy. Noho ny fitokonana misy, mijaly ny vahoaka manan-draharaha ato amin’ity sampandraharaham-panjakana ity, ary mikatso ny asa tokony hatao. « Tokony hitady vahaolana miendrika marimaritra iraisana ny fanjakana sy ireo mpiasan’ny fananantany mitokona, fa ny vahoaka hatrany no mibaby ny rihitra. », hoy ireo sendra anay.
Eric R.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.