Hiverina amin’ny heriny, eny
amin’ny CCI Ivato ny 19-20 desambra
Hiverina amin’ny heriny indray ilay hetsika ara-barotra La grande braderie de Madagascar rehefa somary niatokely nandritra fotoana maharitra. Ny 19 sy ny 20 Desambra ho avy izao no hanatanterahana izany eny amin’ny efitrano fandraisana fivoriambe eny Ivato. Tanjon’ny Madavision izay mpikarakara ny hetsika raha araka ny fanazavan-dRamanantsoa Harilala ny hanalana fahasahiranana ny Renim-pianakaviana. Tafiditra ao anatin’izany ny fitohanana sy ny fivezivezena eto an-drenivohitra fa mba ho hita amin’ny toerana iray avokoa ireo karazana entana sy kojakoja rehetra ilaina mandritra ny fety. Hahazo tombony ihany koa ireo mpivarotra rehetra manomana fihenam-bidy, raha araka ny fanazavany. Sady ho afaka hivarotra eny amin’ny CCI Ivato mantsy izy ireny no ho afaka hisokatra ihany koa ny tsenany any amin’ny toeran-kafa. Afaka mandray anjara avokoa ny rehetra indrindra fa ireo hanao destockage. Tsiahivina moa fa saika mandritra ny braderie avokoa ireo karazan’entana rehetra toy ny fitafiana, ny kiraro, ny poketra, ny kilalao, ny kojakojan-tokantrano....
Pati
Legende : Ramanantsoa Harilala, anisan’ireo vehivavy mpandraharaha fanta-daza eto amintsika !
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.