Nanoloana ny mpanao gazety maro omaly no nilazan’ny sendika telo tonta ao amin’ny sampandraharahan’ny fananan-tany etsy Anosy fa manameloka an-kitsirano ny tetika ambaran’izy ireo fa hamotehana ity sampandrahara ity ny fanapahan-kevitry ny ministera mpiahy sy ny fitantanan-draharaha ankapoben’ny
« Services Fonciers » ny handraisana mpiasa ECD vaovao miisa 20 hoe hasolo ireo efa teo hatrizay fa nanatevina ny fitokonana. Nambararan-dry zareo fa olona tsy nahazo fiofanana mikasika ny asa fananan-tany akory ireo olona vaovao ireo ary misy aza amin’izy ireo mpanera tena fahavalom-bahoaka ka tsy ho voafehin’ny fihoaram-pefy mihitsy. Mampaneno lakolosy koa ry zareo araka ny filazany manoloana ny loza mitatao ho an’ny tanin’ny vahoaka malagasy aterakin’ilay taratasy politikan’ny fananan-tany vaovao (LPF) izay niniana nolaniana ho amin’izao an-katoky ny fifidianana izao fa tena fanaovana takalon’aina ny fananan-tany malagasy no miseho nilaza an-kitsy rano ny hamatsian’ireo mpandraharaha avy any ivelany ara-bola sy hampandany kandidà ho ben’ny tanàna amin’ny antoko sasany. Mampahafantatra ny valalabemandry ny mety ho firoboroboan’ny famarotana tanindrazana amin’ny endriny maoderina koa ry zareo ary manao antso avo amin’ny filoham-pirenena handray fepetra mifanandrify amin’io LFP io ka hamapanova azy faran’izay haingana mba hifanaraka amin’ny fitakian’ireo teknisianin’ny fananan-tany izy mitsinjo ny ho tombontsoan’ny vahoaka malagasy sy ny taranany. Mikasika ny amin’ny filazana ny mety ho fisian’ny fahatapahan’ny karaman’ireo mpitokona dia nanjavozavo ny famalian-dry zareo an’izay amin’izao vaninandro fandraisan-karama izao.
Afo sendikaly
Namafy ny fanohanany tsy misy fepetra izany fitakian’ny sendika telo tonta izany moa tamin’io omaly io ihany, ny Afo sendikaly izay misy an’ireo rafitra voalaza teo ihany koa ary mbola nanamafy koa aza ny fitakian’izy ireo hananan’ny fananan-tany ministera manokana ho azy ireo tsotra izao. Notakian-dry zareo koa ny hampiarana ny didy fampitoviana ny mari-karaman’ny mpiasam-panjakana sy ny tsy miankina mitovy asa ary dia manao antso avo koa ny Afo sendikaly ny tsy hanamaivanin’ny mpitondra ny fitakiana misy fa hametraka dinika mitombina ny amin’ny famahana ny olana.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.