Tapaka ny tady eo amin’ny fitondram-panjakana sy ireo mpiasan’ny fahasalamana mitokona. Raikitra mantsy ny haza lambo ataon’ny Fahefana Avon’ny Tetezamita ireto farany.
Raha ny fanazavana azo avy amin’ny mpitarika ny fitokonana dia sivy izoa no voasambotra hatramin’ny omaly ary atao fanadihadiana etsy amin’ny Brigade Criminelle Anosy. Mpitsabo mpanampy miisa fito miampy lehiben’ny sampandraharaha roa, ka ny iray amperinasa ny iray taloha, teo anivon’ny Minisiteran’ny fahasalamana izy ireo. Ampangaina ho namatsy vola sy fiara ireo mpanao fitokonana moa ireto farany raha ny vaovao voarain’i Tsialofana izay nanamarika fa tsy anisan’ireo nandray anjara tamin’ny «sit-in» akory izy mirahalahy ireo. «Nampanantsoin’ny Minisitera izy ireo ny zoma sy sabotsy lasa teo fa ilaina amin’ny fandrafetana ny sata takiana, hono, kinanjo vao tonga teny dia noraisim-potsiny ary tsy mbola tafody hatramin’izao».
Vaovao nampitain’ny vady andefimandrin’ny iray amin’izy mirahalahy ireo no nahafantaran’ireo mpitarika ny fitokonana ny fisian’ny fisamborana ka nahafahan’izy ireo nifampiantso sy nandray fepetra mifanaraka amin’izay. Milaza ho samy nahazo antso an-tariby avy amina mpanolotsain’ny Praiminisitra lefitra iray izany avokoa izy ireo ny alahady teo saingy tsy nisy nipoitra teny Ambohidahy misy ny Minisitera satria mailo noho ny zava-misy. Na teo aza anefa ny trangan-javatra dia niatrika ny “sit in” omaly tetsy amin’ny HJRA izy ireo. Tsikaritra nandritra izany ny fisian’ny mpitandro ny filaminana tsy nanao fanamiana nihaodihaody teny an-toerana.
Vao nirava anefa ny hetsika dia niditra an-tsehatra ireto farany ka mpitsabo mpanampy fito mirahalahy no nosamborina tao ivelan’ny hopitaly araka ny fanazavan’i Marcellin. Talohan’io anefa dia efa saika azon’ireto mpitandro ny filaminana ireto koa i Valérien saingy ny fahamaroan’ny olona teny an-toerana no nampihemotra azy ireo. Raha ny vaovao voarain’ireo mpitarika ny fitokonana ihany dia efa hatrany amin’ny faritra ny fanaovana ramatahora ka mpitsabo mpanampy iray no tazonin’ny polisy ao Antsirabe ary nanaovana fanadihadiana kosa ireo mpitsabo mpanampy ao Antsohihy.
Fitakiana sendikaly
Manoloana ny fisamborana dia niafina tamina efitrano eo anivon’ny hopitaly HJRA ireo mpitarika ny hetsika. Nanamafy anefa izy ireo fa tsy hihemotra amin’ny fitakiany izay ara-drariny. Milaza ny hiverina eny amin’ny HJRA izy ireo anio manomboka amin’ny 9 ora. Melohiny kosa ny fihetsiky ny mpitondra mahefa : «izao ve no vahaolana amin’ny fitakianay. Tsy rariny izao satria izahay tsy miady amin’ny Fanjakana fa fitakiana sendikaly no nataonay”, hoy i Marcellin. Nohamafisin’i Tsialofana fa mampidi-doza ny vahoaka malagasy ny fanapahan-kevitry ny tompon’andraikitra sasantsasany izay manao tsirambina ny ain’ireo marary. Nambarany fa mpamily sy mpamafa trano no misolo ny asan’ny mpitsabo mpanampy eny Anjanamasina ankehitriny raha tsy hilaza afa-tsy ny tsindrona. Manana ny lisitr’ireo mpiasa ireo sy ny asa nampiandraiketana azy avy izay nosoniavian’ny lehiben’ity toeram-pitsaboana ity izy.
Yves
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.