Actualités

Mpiasan’Ambatovy naato “Avereno miasa izahay”


  • Zoma 24 Jolay 2015

Mitaky ny famerenana azy ireo hiasa eo anivon’ny orinasa Ambatovy ireo mpiasa naato ny orinasa ara-teknika ny faran’ny volana mey sy jona 2015 teo

 

. Amin’izy ireo dia tsy rariny ary tsy manara-dalàna ny fampiatoana azy ireo, ka nahatonga azy ireo nanao fitokonana fanairana tao Tanandava Tsararivotra ny alarobia teo ho fandraisana azy ireo indray. Nanambara ireto mpiasa ireto fa hamafisin’izy ireo tsy ho ela ny fanaovana fitokonana toy izao, raha minia tsy mijery ny momba azy ireo ny orinasa ary minia mbola tsy manara-dalàna ihany koa. Milaza mantsy ireto mpiasa fa nisy tamin’ireo mpiasa nalefa “chômage technique” no efa naverina niasa, eo koa ny fandraisana mpiasa ivelany nefa ny tao anatiny aza naato. Araka ny fanazavana efa nataon’Ambatovy dia nanara-dalàna ny fampiatoana ara-teknika ny mpiasa natao ary ny famerenana ny mpiasa amin’ny asany dia miakina amin’ny fihatsaran’ny vidin’ny nikela sy kobalta ary ny resa-bolan’ny orinasa.


 

Rakoutou

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • AFERA BOEING
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

AN-DRAVATOMANGA

  • Fitantanan
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

-draharaham-panjakana

  • FAHATAPAHAN-JIRO RN 1
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

  • DADABE
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

RAKOTONDRASOA JEAN LÉON

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

Hijery ny tohiny
FTT