Mpiasam-panjakana misotro ronono

Hisitraka ny “Complément d’IIR”


  • Alakamisy 08 Janoary 2026

Namoaka fampitam-baovao manan-danja

ny DGFB (Direction Générale des Finances et du Budget), eo anivon’ny Minisiteran’ny toekarena sy ny fitantanam-bola mikasika ny fandraisana anjara ara-bola vaovao ho an’ireo mpiasam-panjakana efa nisotro ronono. Ity fanapahan-kevitra ity dia tafiditra ao anatin’ny ezaka fanavaozana ny fitantanan-draharaha ara-panjakana sy ny fanatanterahana feno ny « Statut Général des Fonctionnaires », raha ny fanazavana. Araka ny fanazavana ofisialy, hisitraka ny antsoina hoe “Complément d’IIR” ireo mpisotro ronono, izay ampahany amin’ny elanelam-bola tokony ho azony araka ny sata ara-dalàna. Izy io dia fanampiana manokana hanamorana ny fiainana rehefa mitsahatra amin’ny asa. Natao hanitsiana ny tsy fitoviana nisy teo amin’ny karama sy ny zony ara-bola, taorian’ny fisotroan-dronono izy io, raha ny fanazavana. Ny « Bon de caisse » ilaina amin’ny fandraisana ny “Complément d’IIR” dia azo alaina eny amin’ny DRH na SRH an’ny Ministera niasan’ilay mpiasam-panjakana talohan’ny fisotroan-dronono. Ho an’ireo “Ayants-droit” na fianakaviana manan-jo amin’ireo mpiasa efa nodimandry, dia ilaina ny mangataka manokana amin’ny alalan’ny taratasy sy antontan-taratasy manamarina. Na dia ampahany amin’ny “Complément d’IIR” ihany no ho azo amin’izao dingana voalohany izao, dia nanamafy ny DGFB fa hotohizana araka ny fandrindrana sy ny fahafahana ara-tetibola amin’ny taona ho avy ny fandoavana manontolo. Azo sokajiana ho tafiditra ao anatin’ny ezaka sy fivoarana lehibe asehon’ny Fitondram-panjakana izany, mifanohy amin’ny ezaka fampisitrahana 310 000Ar isaky ny mpiasam-panjakana ho fankasitrahana manokana ho an’ny 2025, ny hampiakarana 14% ny karama amin’ity taona 2026 ity, ny handraisana mpiasam-panjakana manodidina ny 130000,…
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

  • Fanohanan’ny
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Faritra Analamanga

  • Varatra
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

nitera-doza

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

Hijery ny tohiny
FTT