MPIASAM-PANJAKANA EFA MISOTRO RONONO

Tratra nisoloky, milaza fa mahavita mampiditra ho delege


  • Alatsinainy 05 Febroary 2024

Raim-pianakaviana piasam-panjakana iray efa lehibe no sady efa misotro ronono

no tratra nisoloky tao Farafangana ary naiditra am-ponja. Raha tsiahivina kely tamin’ny volana Febroary taona 2023 dia nisy vehivavy nitady olona maniry ho lasa delege. 16.000.000 Ar no aloha aminy amin’izany. Tovolahy roa no voasarika ka nomen’ireto farany manontolo ny vola. Tsisy akory anefa ny asa nampanantenain’io Ramatoa io hatramin’ny volana Septambra 2023 ary tsy hita intsony ilay vehivavy. Nitory izy 02 lahy voasoloky ny 15 Septambra vokatr’izany. Tratra teto Antananarivo ny 26 Desambra ilay ramatoa ary efa migadra ao Farafangana. Nanamafy anefa izy fa tompon’andraikitra ambony misotro ronono no miara-miasa aminy nomeny ny vola sy nampitady olona.Nitohy ny fikarohana. Nitory an'io atidoha io ireo voasoloky. Araka ny vaovao azo dia efa mpamerin-keloka amin’ny fisolokiana ao Morondava izy io.Nalefa tany an-toerana ny zandary ao amin’ny GAPJ Atsimo Atsinanana noho izany nitady sy nisambotra azy niaraka tamin’ny zandary ao amin’ny GAPJ Menabe. Herin-taona taty aoriana, tratra ity farany ary nentina tany Farafangana nohadihadiana. Nanomboka nanefa an-tsitrapo izay vitany tamin’ny vola nosolokiany izy teo ary natolotra ny fitsarana afak’omaly Sabotsy 03 Febroary. Naiditra am-ponja vonjimaika miandry ny fitsarana azy ny anaolahy.
Pati
Legende : Ity Ingahirainy ilay tena ati-doha efa maka saina any am-ponja !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • METFP,
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

Poste budgétaire 2023-2025

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

Hamboarina ny fefiloha

  • Niakatra fitsarana
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

noho ny afera « Boeing »

  • Fikojakojana ny
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

“décanteur Pulsator II” Mandroseza

  • Sehatry
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

ny angovo avy amin’ny masoandro

  • Groupe
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

des intellos Bezanozano

Hijery ny tohiny
FTT