MPIASAM-PANJAKANA AMBONY

Nodimandry ny tale jeneralin'ny ANOR


  • Talata 21 Mey 2024

Nodimandry ny alahadin’ny paska teo Rtoa Ranoroharisoa Tiavina Omega, Tale jeneralin'ny ANOR

Agence Nationale de la filière or) na antokon-draharaha misahana ny volamena. Manam-pahaizana momba ny harena an-kibon’ny tany sy ny solika ny tenany, ary manana mari-pahaizana ambony momba ny lalàna ihany koa, anisan’ireo nivoaka tao anatin’ny andiany faha-13 teo anivon’ny CEDS (Centre d’Etudes Diplomatiques et Stratégiques),... Efa niasa teo anivon’ny Bianco ny taona 2009-2014, niampita tany amin’ny Minisiteran’ny harena an-kibon’ny tany, efa Tale momba ny lalàna teo anivon’io Minisitera io ny taona 2016, avy eo voatendry voalohany ho Tale Jeneralin’ny ANOR,… Ankoatra ny sehatry ny harena an-kibon’ny tany dia isan’ny nahalalana an-dRtoa Ranoroharisoa Tiavina Omega ihany koa ny tontolon’ny tononkalo. Tale jeneraly miandraikitra departemanta stratejika faharoa maty tato anatin'ny herinandro Ranoroharisoa Tiavina Omega satria ny 14 mey 2024 teo no namoy ny ainy ihany koa ny tale jeneralin'ny ARAI (Agence de recouvrememt des avoirs illicites ). Mirary fiononana feno ho an’ny fianankaviany sy ireo akaiky azy manontolo isika eto amin’ny Tia Tanindrazana.
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Groupe
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

des intellos Bezanozano

  • Michel Rabemahefa
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno ny maha Ambasadaoron’i

  • PDS
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno Ralambolamanana

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

"Cap sur l'île Sainte-Marie"

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

mialoha ny loza ara-toetr’andro

  • ANTANETIBE MAHAZAZA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Atody 300 000 isan'andro

Hijery ny tohiny
FTT