MPIASAM-PANJAKANA AMBONY NAVOAKAN’NY ENAM

Vonona handray anjara amin’ny fampandrosoana ny Firenena


  • Alatsinainy 24 Martsa 2025

Vonona handray anjara amin’ny fampandrosoana ny Firenena ny DHEA na ny

Association des Diplômés en Hautes Etudes en Administration” nivoaka teo anivon’ny sekolim-pirenena manofana ho mpiasam-panjakana ambony ENAM Androhibe. Nivoitra izany nandritra ny fihaonambe notanterahin’ireo mpikambana teny amin’ny rooftop-n’ny Colisee Ampasanimalo afak’omaly Sabotsy 22 Martsa, fihaonana izay narahina firariantsoa sy fahombiazana noho ny fahatongavan’ny taona vaovao 2025 ihany koa ho an’ireo mpikambana. Narahina fandraisana ireo mpikambana vao nivoaka tao amin’ny andiany fahafito izany. Miisa 900 ankehitriny ireo mpikambana ao amin’ny DHEA raha araka ny fanazavan’ny filohany Ramanantsoa Andriamahafaly Rado raha vao 12 volana kosa no niorenan’ny fikambanana. Tanjon’izy ireo tao anatin’ny fihaonana ny mba hahafahana mifanakalo hevitra sy traikefa arahin’ny fanehoana ny fampiharana tsara natao momba ny fitantanana ny raharaham-panjakana amin’ny andraikitra izay nomena azy ireo tsirairay avy eto anivon’ny firenena. Tafiditra ao anatin’izany ireo misahana ny administration publique, ny administration financiere, ny fivoaran’ny teknolojian’ny fampitam-baovao sy ny serasera…Nanentana ny mpikambana mba ho vonona mandrakariva amin’ny fandraisana anjara ho fampandrosoana ny firenena araka izany ny filohan’ny DHEA amin’ny alalan’ireo fahaizana sy traikefa efa noratovon’izy ireo. Fanirian’ny fikambanana rahateo ny hitazonany andraikitra goavana amin’ny fanamboarana sy fanitsiana ny resaka fitantanana eto amintsika hanjary ho tena mahomby sy mangaraharaha ka ho afaka hamaly tsara ny filan’ny Malagasy ho tombontsoan’ny rehetra.
Pati
Legende : Ireo mpikambana eo anivon’ny DHEA !

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanirisoa Ernaivo
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Tsy misy valifaty politika !

  • Fitsarana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

mangarahara sy manakaiky vahoaka

  • KAOMININA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANTANANARIVO RENIVOHITRA

  • Trafika
  • Zoma 02 Oktobra 2026

sokatra radiata

  • Taom-pahavaratra 2026-2027
  • Zoma 02 Oktobra 2026

  • AMPITATAFIKA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ATSIMONDRANO 2 taonina isan'andro ny fako

Hijery ny tohiny
FTT