Hita eto Madagasikara avokoa ny harena ambonin’ny tany, ankibon’ny tany na harena an-dranomasina nefa mahantra fadiranovana ny mponina ao aminy.
Voakasik’izany manokana ny mpiasa Malagasy izay tsy mendrika ny toerana misy azy ankehitriny, hoy ny sekretera jeneralin’ny Sendikan’ny mpitsabo mpanampy sy mpampivelona Andry Iankinana Tsialofana. Tsy ho tanteraka mihitsy anefa ny fampandrosoana ny firenena raha tsy milamina ny fiainan’ny mpiasa ao aminy. Tsy nihambahamba ny tenany nilaza fa voan’ny SIDA na «Salaires Insuffisants Depuis des Années» ny mpiasa Malagasy. Fitaovana iray fanehoan’ny mpiasa ny hetahetany ny fivondronana ao anatin’ny sendika izay mbola marefo hatreto. Nanome hery ny mpiasa anefa ny fahombiazan’ny fitakiana sendikaly nataon’ny mpiasan’ny Air Madagascar ka efa mizotra tsikelikely amin’ny famondronan-kery ireo sendika misy rehetra amin’izao fotoana izao. Sakana amin’ny firoborobon’ny fikambanana sendikaly eto Madagasikara ny fampiasan’ny mpitondra fanjakana ireo karazana ramatahora sy herim-pamoretana, hoy ity tompon’andraikitra eo anivon’ny Paramed ity.
Ramano F.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.