Nampahafantarina tetsy amin’ny sampandraharaha misahana ny fitantanana ny taozavatra etsy 67ha omaly alarobia 20 sertambra
ny fitsanganan’ny ivontoeran’ny fampandrosoana iraisan’ny rehetra na ny CDI eo anivon’ny sampana House Madagasikara izay miompana manokana amin’ny fampandrosoana ny tontolo ambanivohitra sy ny fampifandraisana izany amin’ny fihariana ety an-drenivohitra. Araka ny fanazavan’ny mpandrindra ankapobeny, Andriantsitohainarivo, dia voakasiky ny hetsika fampandrosoana kasain’izy ireo hatao avokoa ireo sehatra manodina ny fampandrosoana toy ny fambolena sy fiompiana ary ny indostria sy ny fitaterana. Hiasa mandritry ny taona 2018 aloha ity rafitra vaovao ity satria mbola hiatrika fifidianana isika amin’io taona ho avy io. Aorian’izay kosa vao tena hisy ny lavitr’ezaka kokoa, hoy izy. Anisan’ireo asa efa miainga ny tetikasa fanorenana trano fonenana ho an’ireo mpiasa handeha retirety izay mitentina 25 tapitrisa ariary ka hatramin’ny 50 tapitrisa ariary ny totalin’ny fandraisan’anjara. Eo ihany koa ny fijerena izay azo hanampiana tosika ireo vokatra tena fiveloman’ireo mponina isaky ny faritra misy azy.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.