MPIARO NY ZON’NY MPANJIFA

Mangataka ny hanoloana ny tompon’andraikitry ny JIRAMA


  • Alatsinainy 07 Oktobra 2024

Nidina ifotony nijery ny zava-misy iainan’ny mponina eny Ankaditandratombo ny Fikambanana mpiaro ny zon’ny

mpanjifa afak’omaly Sabotsy 05 Oktobra taorian’ilay hetsika fitokonana nataon’ny mponina teny an-toerana vokatry ny delestazy lavareny hiainany. Raha tsiahivina tokoa mantsy dia Raim-pianakaviana iray no nosamborin’ny mpitandro ny filaminana teny an-toerana nandritra io fitokonana tamin’ny Zoma 04 Oktobra hariva nataon’ny mponina io ary efa navotsotr’izy ireo ihany. Nambaran’ny fikambanana mpiaro ny Zon’ny mpanjifa ary fa zo fototry ny mpanjifan’ny JIRAMA ny mitokona sy mitaky ny mba hisian’ny jiro manazava ny tanana amin’ny hariva satria mandoa vola isam-bolana izy ireo. Fanitsakitsahana ny zon’izy ireo ny fisamborana azy ireny. Tsy tokony ny mpanjifa no samborina noho izany hoy Atoa Andry Vola Razafindralambo fa ireo tompon’andraikitra ao amin’ny JIRAMA tsy mahavita ara-dalana ny asany no soloina. Notsindrian’ireo olona mivelona amin’ny asa mila herinaratra eny Ankadindratombo toy ny mpivarotra trondron-dranomasina sy ireo mpanao volo moa fa lasa mahazo vahanabe ny delestazy eny amin’izy ireo tato ho ato. Simba sy maimbo vokatr’izany ny entana hamidiny ho an’ny piossonnerie raha voatery hakatona mihitsy ny toeram-piasana ho an’ny mpanao volo. Leo ny miaina izany ny mponina raha mahazo vahana ihany koa ny tsy fandriampahalemana, antony nanosika azy ireo hanao iny hetsika tamin’ny Zoma hariva teo iny. Tsy ho an’Ankadindratombo irery ihany moa fa faritra maro no miaina delestazy lavareny isan’andro eto an-drenivohitra sy ny manodidina. Manampy trotraka izany ny filaharan-drano etsy sy eroa izay efa lasa hataon’ny sasany bizina mihitsy.
Pati
Legende : Andry Vola Razafindralambo, filohan’ny fikambanana mpiaro ny zon’ny mpanjifa !

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Elia Rabevahiny
  • Alarobia 06 Mey 2026

«Finiavana politika ihany

  • Manomboka mipoitra
  • Alarobia 06 Mey 2026

ireo nisitrika sy nitsoaka

  • Maitre Michel Le Dragon
  • Alarobia 06 Mey 2026

«Mpanavotra no dikan’ny anarana hoe «Mickael»»

  • Natosiky ny vadiny
  • Alarobia 06 Mey 2026

avy amin’ny rihana ambony ?

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Talata 05 Mey 2026

«Mila lalàna afaka manasoa

  • FIARAHA-MIASA
  • Talata 05 Mey 2026

Influenceurs miisa 7 lasa any Rosia

Hijery ny tohiny
FTT