Mpiaro ny zon’ny mpanjifa

« Ampidino ny vidin’ny mofo menakely fa midangana be »


  • Talata 15 Oktobra 2024

Midangana avokoa ny vidin’ireo karaza-mofo hamidy eny an-tsena amin’izao toy ny menakely, ny mofo baolina…

Efa misy mahatratra 500 Ar mantsy ny iray amin’ireto farany raha mbola nahazo 300 Ar teo aloha. Raha araka ny fanazavan’ireo mpivarotra dia vokatry ny fidangan’ny vidin’ny lafarinina sy ny siramamy ary ny menaka no antony mahatonga izany. Tsy nitsahatra ny nanara-maso io tranga io ny fikambanana mpiaro ny zon’ny mpanjifa eto amintsika, tarihin-dRazafindralambo Lalaina noho ny kafe sy mofo izay tafiditra ao anatin’ny sakafo atoandron’ny Malagasy ankehitriny. Efa diso sahirana loatra mantsy ny isan-tokantrano ka ny sakafo hariva hiarahana amin’ny fianakaviana sisa no tsy maintsy ezahina fa ny maraina sy ny atoandro dia samy manao izay hihinanany eny rehetra eny. Nisy ny fidinana ifotony nataony ka fantatra fa ho nidina ho 165.000 Ar ny lafarinina iray gony raha nahatratra 185.000 Ar teo aloha. Miantso ireo mpivarotra kafe sy mofo mba hampidina ny vidin’ny mofo hamidiny avy hatrany ny tenany noho izany fa tsy sanatria hanararaotra ny fahasahiranan’ny Malagasy izay efa tena mihinana tapa-kibo avokoa ny ankamaroany. Notsiahiviny moa fa isika samy Malagasy ihany no mifamono an-toerana eto raha tsy misy ny fahatsapan-tenan’ny tsirairay.
Pati
Legende : Na ny kafe na ny mofo efa tsy misy latsaky ny 200 Ar intsony vao mahazo eny an-tsena eny !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Elia Rabevahiny
  • Alarobia 06 Mey 2026

«Finiavana politika ihany

  • Manomboka mipoitra
  • Alarobia 06 Mey 2026

ireo nisitrika sy nitsoaka

  • Maitre Michel Le Dragon
  • Alarobia 06 Mey 2026

«Mpanavotra no dikan’ny anarana hoe «Mickael»»

  • Natosiky ny vadiny
  • Alarobia 06 Mey 2026

avy amin’ny rihana ambony ?

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Talata 05 Mey 2026

«Mila lalàna afaka manasoa

  • FIARAHA-MIASA
  • Talata 05 Mey 2026

Influenceurs miisa 7 lasa any Rosia

Hijery ny tohiny
FTT