Rehefa avy nandalo tany amin’ny faritra nankalaza ny andro iraisam-pirenena ho an’ny ranomasina 2017 nanomboka ny 28 septambra 2017
teo dia tonga teto Antananarivo ry zareo avy eo anivon’ny sendikan’ny mpiantsehatra an-dranomasina (Sygmma), elatra tarihin’ny filohany Lucien Razafindraibe, mba hanararaotra hamerina fa marary ny tontolon’ny ranomasina eto Madagasikara. Nampahatsiahivin’izy ireo fa tsy tafaverina amin’ny asany hatramin’izao ireo Dokera 43 noroahina tamin’ny fomba tsy ara-dalàna, araka ny fanazavana, tamin’ny taona 2012. Mitaky ihany koa ireto mpiantsehatra ireto fa tsy manaraka ny fenitra ny hoe 6000 ariary isan’andro ny karaman’ireo mpanjono an-dranomasina mpikambana ao amin’izy ireo. Tokony hakarina 18.000 ariary izany, hoy izy ireo, ary isaky ny enim-bolana no hanaovana ny fifanarahana fa tsy isam-bolana intsony mba hisian’ny filaminana.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.