Mangetaheta ny fiverenan’ny fampianarana faran’izay haingana ireo mpianatry ny Oniversite Ambondrona ao Mahajanga. Efa niroso tamin’ny fanapahan-kevitra ny hananganana ny «Comité Intérimaire de Direction»
ihany ny fitondram-panjakana mahefa taorian’ny fanalana ny filohan’ny Oniversite dia mila manafaingana ny fampijoroana io rafitra vonjimaika amin’ny fitantanana ny anjerimanontolon’i Mahajanga io, araka ny hevitry ny solontenan’ny mpianatra izay naneho hevitra mikasika ny fivoaran’ny toe-draharaha amin’izao fotoana izao. Fanamarihan’izy ireo moa ny filazana fa ny mpitantana indray ankehitriny no sakana amin’ny fampandehanana ny fampianarana ireo sampam-pampianarana andoavam-bola amin’ny ampahany toy ny «Université de Gestion et de Management», ny Lalàna na koa ny Fizahantany. Mianatra kosa ny sampam-pampianarana hafa toy ny Médecine taona voalohany, ny Siansa, na koa ny Ivontoerana momba ny Fiteny vahiny sy ny sivilizasiona. Tsy handrenesam-peo moa ireto mpianatra ireto satria mahita fa miverina tsikelikely ny zon’izy ireo. Dingana antenain’izy ireo manomboka izao ny fampiharana ny tondrozotra dia ny fanenjehana ny fandaharam-potoana ao anatin’ny telovolana sy ny fanatanterahana ny fanadinana aorian’izay. Olana iray hafa miseho indray anefa ankehitriny ny fitokonan’ny mpandraharaha sy ny mpiasa teknika ka asa izay hitranga.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.