Actualités

Mpianatry ny ENS sy INFP Mitaky ny toeran’ny DREN sy chef CISCO


  • Alakamisy 04 Septambra 2014

Nilaza ireo fikambanan’ny mpianatra nivoaka avy ao amin’ny ENS sy INFP omaly fa izy ireo no tokony ho laharam-pahamehana amin’ny fandraisana ho mpampianantra eny anivon’ireny sekolim-panjakana isan-tokony ireny

Raha ny nambaran’Atoa Xavier Rakotondrajaona mpandrindra nasionaly ny fikambanana dia zon’izy ireo izany satria izy ireo no manana ny fahaiza-manao ny amin’izany no sady nanaraka fiofanana manokana momba ny fampianarana teny amin’ny sekoly ambony momba izany. Nomarihiny fa tokony hanana anjara toerana betsaka amin’ny fandraisana mpampianatra ho mpiasam-panjakana amin’ireo iray alina voafaritra ao anatin’ny tetibolan’ny minisitera izy ireo. Betsaka ihany koa  no  nahavita ny fianarany efa ho telo taona izao saingy mbola tsy manana andraikitra. Araka izany dia mitaky izy ireo ny mba handraisana azy amin’ity taona ity ary tokony ho izy ireo no atao filohan’ny DREN sy CISCO manerana an’i Madagasikara raha ny voalaza hatrany.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT