Manana ny maha-izy azy ny tanora malagasy araka ny fanadihadiana navoakan’ny Fikambanana iraisam-pirenena momba ny Asa. Kinga, manan-talenta ary tia karokaroka tokoa mantsy no famaritan’ny OIT ny tanora eto Madagasikara
Azo itarafana ny fahaizan’ny mpianatra Malagasy izay indrindra ireo asa fikarohana marobe vitan’izy ireo mandritra ny fanovozam-pahalalana eny anivon’ireo sekoly ambaratonga ambony isan-tsokajiny. Anisan’ny misongadina amin’izany ny «Institut Supérieur de Polytechnique de Madagascar» Antsobolo izay nanokana andro roa ho fampisehoana sy ho fampirantiana ireo asa fikarohana nosahanin’ireo mpianatra nandritra ny telo volana mahery. Ny zavatra hita sy tsapa dia tsy iadian-kevitra tokoa ny voalazan’ny Fikambanana iraisam-pirenena misahana ny Asa. Ny fanamarihana goavana azo ambara ihany koa dia akora fahita eto Madagasikara daholo no ampisain’ireto mpianatra Malagasy mpikaroka ireto. Ahitana lesoka ihany anefa ny zava-misy satria tsy tafiditra ao anatin’ny vinavinan’asan’ireto mpianatra manam-pahaizana ireto velively ny fiarovana sy ny fanapariahana ireny vokatra novokarin’izy ireo ireny izay manampy betsaka ny mpiara-belona. Tantsoroka izay azon’ny mpitondra fanjakana na ireo sehatra tsy miankina atao tsara mba ho tombontsoan’ny firenena satria dia tena mifanaraka amin’ny filan’ny mponina tokoa ireny asa fikarohana vitan’ny tanora malagasy ireny.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.