Noho ny tsy fandoavan’ny fitondram-panjakana ny vatsim-pianaran’ireo mpianatra Malagasy mandranto fianarana any Sina dia tsy te hahalala intsony ny filohan’ny oniversite any an-toerana toy ny ao Wuda Wuhan izay misy ireo mpianatra Malagasy miisa 18 fa nandray fepetra avy hatrany......
Ny 30 jona lasa teo mantsy no fe-potoana farany nomeny ireo mpianatra ireo saingy tsy nahita vahaolana izy ireo. Vokany, misy amin’ireo ankizy sasany no efa voaroaka tamin’ny trano fonenany ka tsy mahita hipetrahana amin’izao fotoana izao. Mirenireny izy ireo raha araka ny vaovao voaray no sady tsy mitombin-tsaina amin’ny fieritreretana ny hoaviny. Eo an-danin’izay dia misedra olana ihany koa ireo ray aman-drenin’izy ireo eto an-toerana izay marihina fa efa niezaka ny nitady fihaonana tamin’ny fitondram-panjakana saingy tsy nahazo. Toy ny antso an’efitra ihany ny antso nataonay, hoy izy ireo raha efa tsy nisy mpihaino hatramin’izay ny fitarainan’ireo mpianatra. Manao antso avo amin’ny fitondram-panjakana indray izy ireo mba hijery akaiky ny momba azy.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.