Tsy mahita zavatra hambaboana ny fon’ny olona intsony ny mpanao politika sasany any Ambatondrazaka koa dia ireo mpianatra indray no hitondrana ny tetika maizina
Efa samy mametraka ny teti-panorona ireo mpanao politika amin’izay olona hatao ben’ny tanàna, ka rehefa mahita hirika iray hahafahana miseho izy ireo dia manararaotra izany. Fitahana amin’ny tambitamby kely ny ray aman-dreny dia jamba ka tsy mahalala ny tetika tiany hatao. Soa ihany aloha fa efa tonga saina ny ankamaroan’ireo ray aman-dreny taorian’ireny fifidianana filoham-pirenena sy solombavambahoaka ireny ka mahay manavaka ny vary sy ny tsiparifary. Ny sakafo maivana (gouter) ho an’ireo ankizy hanala fanadinam-panjakana aloha hatreto no atao fitaovana hanjonoana ireo ray aman-dreny. Hiaraha-mahalala rahateo fa betsaka ireo ray aman-dreny no tena mbola ao anatin’ny krizy. Fiteny mahazatra ny any an-toerana ny hoe : raiso fa vola adala tompo fa ny fanahy tsy havalana.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.