Mpianatra eny Vontovorona

« Leo delestazy izahay ! Miala Rajoelina ! »


  • Talata 23 Septambra 2025

Nitroatra indray ny mpianatry ny politeknika rehefa

tsy afa-po tamin’ny fampanantenana poakaty am-bolana maro momba ny famahana ny olan’ny delestazy, izay iraisana amin’ny besinimaro. Niroso tamin’ny grevy indray izy ireo omaly, ka bao maraina dia raikitra ny kiririoka sy tabataba teny Vontovotona. Narahana horakoraka miantso ny mponina hivoaka hanampy ireo mpianatra satria hoy izy ireo : " Samy victime an'ity Délestage ity" fa tsy ny mpianatra irery. Niroso indray tamin’ny sakan-dalana, ka tsy misy afaka nivoaka na miditra ny tanàna ireo Fiara sy moto rehetra, maro no voatery mandeha an-tongotra. Mbola lavitry ny toeram-pianarana dia efa nandeha ny sakan-dàlana, nasian’ny mpianatra soratra goavana hoe : « MIALA …. I PREZIDA RAJOELINA » ny arabe. « Efa hatry ny omaly no tapaka ary mbola tsy niverina hatramin'ny maraina ny Jiro ety Vontovorona », hoy ny mpianatra. Toy ny mahazatra dia ny fandefasana Emmo-reg hifandona amin’ny mpianatra no hany vahaolan’ny mpitondra, ka vao mainka nampiakatra ny maripana. Niafara tamin’ny fifandonana teo amin’ny « forces » sy ny mpianatra satria nifamaliana ny tora-bato sy ny tifitra. Vokany, mpianatra miisa 5 no naratra tao anatin’izany. Tsy vao sambany ny grevy, efa nisy fampidinana minisitra teny an-toerana saingy toa nanao « selfie » sy nanao serasera fa ny olana mitoetra hatrany ? Betsaka ireo fanambarana sy fanamelohana nanoloana ny herisetra satria nisy naratra be tamin’ny faritry ny lohany sy voatery nentina notarafina tany amin’ny toeram-pitsaboana mihitsy. Ho tonga amin’ny hetsika sy fifandonana tahaka izao ve raha tena mahavaha olana ny Fanjakana ? Amin’ny alalan’ny famoretana hatrany no iatrehana toe-draharaha ka zary efa fampitahorana sy fandemen-tsaina amin’ny mety ho hetsi-pitakiana kasaina hatao eny Ambohijatovo amin’ny alakamisy 25 septambra ny herisetra natao teny Vontovorona ?
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

  • Fanohanan’ny
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Faritra Analamanga

  • Varatra
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

nitera-doza

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

Hijery ny tohiny
FTT