Haloa ny vatsim-pianaran’ireo mpianatra any sina. Nandritra ny tatitra nataon’ny avy eo anivon’ny minisiteran’ny fampianarana ambony sy ny fikarohana siantifika teny Tsimbazaza no nahafantarana izany .
Hatreto, hoy ny avy ao amin’ny minisitera dia vatsim-pianarana mandritra ny dimy volana no homena ka ireo mpianatra manodidina ny 273 any ho any no hahazo . Etsy an-kilany, ireo ray aman-dreny dia naneho ny hafaliany ka nisaotra ny minisitera ary maniry ny mba hisian’ny vahaolana maharitra. Marina, hoy izy ireo, fa tsy mbola voavaha tanteraka ny olana saingy mba miaina kely sy tsy voaenjiky ny mpitandro ny filaminana any an-toerana ny zanakay”. Nanambara ny tompon’andraikitra fa nisy ezaka lehibe nataon’ny masoivohon’i Madagasikara any an-toerana tamin’ny fanelanelanana. Tonga teny Tsimbazaza ihany koa moa ny avy eo anivon’ny fikambanan’ireo ray aman-drenin’ny mpianatra notarihin’ny sekretera jeneraliny Atoa Landry Jean Claude sy ireo manana zanaka mandranto fianarana any sina.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.