Niara-nihetsika indray ny mpianatra eny Ankatso sy Vontovorona omaly
maraina. Ireo mpianatra avy eny amin'ny politeknika no tonga nitarika
ny hetsika teny an-toerana rehefa tsy mbola nivaly ny fitakiany ny
amin'ny tokony hampiakaran'ny fanjakana ho 100 % ny
vatsim-pianaran'izy ireo
Nahita izany ireo mpianatra eny Ankatso ka
nanome tanana ireo namany no sady nanamafy ny fitakiany ihany koa.
Raikitra ny fitokonana noho izany izay nitohy tamin'ny
fanakanan-dalana sy ny fandoroana kodiarana. Nisy ny fidirana
an-tsehatra nataon'ny mpitandro ny filaminana vokatr'izany. Nanapoaka
baomba mandatsa-dranomaso ireto farany no sady nanaparitaka ny
mpianatra. Tsy nampiato ny hetsika anefa izany satria dia hatramin'ny
omaly hariva tamin'ny 5 ora sy sasany dia mbola nitohy foana ny
hetsika. Na izany aza tsy mbola nisy ireo mpianatra nosamborina
tamin'io ora voalaza io. Notsindrian'ireo mpianatra moa fa tsy
hijanona izy ireo raha tsy mivaly ny fitakiany. Ho an'ireo mpianatry
ny politeknika eny Vontovorona manokana dia anisan'ny antony
hitakian'izy ireo izao fiakaran'ny vatsim-pianarana izao ny resaka
saran-dalana sy ireo fandaniana maro samihafa tsy maintsy hataon'izy
ireo isan'andro.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.