Manameloka tanteraka ny fanimban-javatra sy ny fisamborana ireo mpianatra ireo mpampianatra mpikaroka eny Ankatso manoloana ny fihetsika ataon’ny mpitandro ny filamianana
. Omaly dia mbola nitohy ny fihetsehan’ny mpianatra teny Ankatso fa nalaky rava izany. Ho an’ireo mpampianatra mpikaroka indray dia tsy miova ny resaka ary mbola raikitra hatrany ny fitokonana faobe mandra-pahazon’izy ireo valiteny mahafapo mikasika ny mari-karaman’izy ireo sy ny sandam-pikarohana izay efa nofaritan’ny làlàna. Amin’ny alatsinainy ho avy izao dia hisy fivorian’ny filohan’ny mpianatra sy ny mpampianatra avy ao amin’ny Seces ka milaza ny hiditra an-tsehatra amin’ny famahana ny olana ambony latabatra ny mpianatra ary vahaolana farany indrindra ny fidinanana an-dalambe raha tena tsy hita ny marimaritra iraisana.
Ny teny anivon’ny mpitandro ny filaminana kosa dia nanamarika fa misy tsy mpianatra amin’ireo mpanao fihetseketsehana ary nisy tamin’izy ireo aza no ambaran’ny avy ao amin’ny Emmo-Reg fa efa hita nitarika olona teny Ambohidahy teny amin’ny biraon’ny Fitsarana avo momba ny lalampanorenana.
Andry Ratovo
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.