Nahavariana ny mpandalo ny adin’ireto lehilahy sy vehivavy ankalamanjana fandalovan’ny vahoaka tetsy an-tampon-tanànan’i Tanjombato tamin’ny faran’ny herinandro lasa teo. ...
Inona no mitranga ? Nifamely totohondry mafy tsy mifampitsitsy mihitsy izy ireo ary mifandaka any amin’ny ankasarotana nefa lahy sy vavy. Ao anatin’izany, niraradraraka ny teny ratsy tsy faneho masoandro sy tsy fiteny imason’olom-pady. Mpianaka ireo, hoy ny fanazavana azo. Rehefa natonina akaiky dia zana-drahavavin’ilay ramatoa, 45 taona eo, ilay tovolahy sahabo ho 25 taona. Fifamaliana teo amin’ny fanaovan-draharaham-pianakaviana no fototry ny adin’izy mianaka, hoy ny hafa ary tsy mahagaga satria samy mbola varimbarin’ny alikaola noho ny fety natao mandrak’alina ry zareo. Hafahafa ihany !
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.